NOFIN’NY FOKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFIN’NY FOKO…
Hoavy ‘lay andro, hifohazan’ny foko,
hitsiry fitiavana, tsy hatahorana hiofo.
Fitia tsara voatra, sy mafy fototra,
na sedra na olana, tsy hahavita hanototra.
Fa vao mainka aza, hamoaka ‘lay sompitra!

Hilaza ny foko, fa misy hazavana,
mipoitra maraina, mitondra hafanana.
Miboko mangina, ‘lay foko mitepo,
tsy hamela azy haràtra, na ho velon-tsento.

Hoavy ‘lay andro, tsy maintsy hamborahako,
amin’olona iray, hiantefan’ny fitiavako.
‘Zay rehetra notanako, ho tsiambararoa,
mirakitra ‘reo fery, sy ireo mahasoa.

Hilaza ny foko, fa misy toerana,
banga sy foana, ka mila tampenana,
mila fenoina, fa hatahorany hamery.
Ny lasa rehetra, toa zary tsianjery!

Hoavy ‘lay andro, hanatonako anao,
hibitsihako mangina, ‘zay raketin’ny foko.
Fitia tena izy, fa tsy hoe kilalao,
nefa ianao, toa hoe manan-tompo!

Hilaza ny foko, fa izy no diso.
Ny saiko handà, ka handiso anao.
Mety handatsa, hanompa, sy hiantso tody.
Dia hiahotra indray, tsy hanatona anao,
fa aleo ny fitiavako, hiverina hipody.

Hoavy ‘lay andro, mety hitomaniako.
hilaza ny foko, fa noho ianao.
Hoavy ny andro, handaozako ny tany,
mino ny foko, fa ianao hitomany.

Hibaiko ahy ‘lay foko,
handeha miova toerana,
nefa tsy eken’ny saiko.
Fa sao indray diso toerana.

Raha hoavy ‘lay andro, hifanaovam-beloma,
dia aleoko miafina, tsy hanatrika ‘lay ora.
Fantatro mantsy, fa tsy tantin’ny aiko.
Tsy zakan’ny foko, tsy eken’ny saiko!
RRAG
Aprily 2010
--------
Rohy:
259 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171