NOFIN’NY TIA SY NY TIANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFIN’NY TIA SY NY TIANA…
Fantatr’ialahy ve ny ambaran’ny foko? Te hiteny izy hoe:
“Banga tsy feno, ny efitry ny foko,
ny feonao tsy heno, raha sendra antsoiko,
tiako aloakanao, ‘lay teny hoe tiako,
na dia izao dieny izao, izany dia iriko”.

Raha fantatrao anefa ny anatin’ny foko, dia mety hoy ianao hoe:
“Maizina loatra, ‘ty akanim-pitiavana,
toa tsy mba mivoatra, fa mbola fandàvana,
toy ny omaly, no indray miverina,
dia mbola hijaly ve, ‘ty foko badenina?”

Tsy tsapan’ialahy anefa ny tena hakanton-pitiavako. Fa mety hoy ialahy hoe:
“Mitovy tokoa ny foto-nipoirana,
samy avy amin-tany, samy zana-tsahirana,
samy tia nefa kosa, sakanan’ny lahatra,
hiadivako ianao, fa izao tsy hitsahatra.”

Raha tena fantatrao ny tahotry ny foko, dia hilaza ianao hoe:
“Kanosa loatra lahy eh! ‘Ty voro-mpihaza,
sa variana amin’ny lalao, fanao fahazaza?
Ka tsy mba mahalala, fitiavana akory,
tsy hinoako aloha eh! Tsy hinoako hoe resi-tory.”
RRAG
14 Jolay 2004
--------
Rohy:
409 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214