NOFINOFY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFINOFY…
‘Ndeha, hotantaraiko ny hadalako,
tao anaty nofy omaly:

“Nofinofiko iny omaly, ny hanidina aho dia hoe,
nofin’ny fahiny, toy ny hita tan-“télé”.
Kinanjo taitra tampoka, ny masoko nahiratra,
miangatra ny lanitra, f’izaho ity sahirana.

Ny arapaka aza tsy hita, ny atelina tsy misy,
ny nofy ity tsy vita, mikiry mitampify.
Mamikitra fandriana, midongy ny hafanana,
nefa fo sahirana, nilaozan-tsy tamana.

Nofinofiko iny omaly, ny hanidina dia hoe.
Nofinofin’ny fahiny, ny mba hiseho an-“télé”.”
RRAG
18 Desambra 2012
--------
Rohy:
345 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0315