NOFY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY…
Tazako hono ianao,
fa tsy nahita ahy.
Nanoroka ny molony,
teo imasoko.
Hitako hono ianao,
fa tsy nahatazana ahy.
Namihina azy mafy,
tsy nisy ahiahy.
Kinanjo kay nofiko!

Nofy ratsiko ihany,
fa tsy tena izy akory.
Nandrebireby ahy omaly,
ka tsy nahitako tory.

Nefa nofy toa ahiako,
ho tanteraka ihany.
Ka hatahorako ny foko,
injao resin’ny tomany.
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
336 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207