NOFY TSY TO… (RRAG)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOFY TSY TO…
Nametraka tanjona tiana hokendrena,
ny fo ka namaritra ireo vinavina.
Niato nangina sy nandini-tena,
ahafaha-manefa ny faniriana.

Noraisina an-tsoratra ireo manan-danja.
Dia nisosa ny penina nitanisa ireny.
Teny amin’ny fahafolo vao kay nisy banga!
Hadino sy latsaka teny ho eny!

Tsy inona izany fa ‘lay misy anao.
‘Lay mitanisa ny vetso ao am-po.
Tsy voarafitra teny ny dina natao,
fa hoe izaho sy ianao dia hiara-droa!

Naveriny indray ny nandrafitra ireny.
Ka ny dinantsika no lasa voaloha….!
Ny ampitso koa moa ilàna jinery.
Dia ny an’alitara no atao faharoa!

Handeha hoe atao fahatelo raha mety,
ilay ianao mandrotsy ireo zanatsika.
Oay! Aleo hoe mba kajiko vetivety,
fa mbola tsy voafaritra ny mety ho isa!

Indrisy ankehitriny toa taratasy,
bobongolo sy rotika no hany tavela.
Ny tena sisa no mangasihasy,
mipitrapitra amin’ity rakitry ny ela!

Nofy tsy to no indray voatahiry,
zary diary nametra-tantara.
Satria tokoa ny fitia vao nitsiry,
indray nipimaso dia lasa tsy anjara.

Tsy anjara tokoa fa nofy toy ny nofy.
Famatotra aina fa tsy hiray amin-tena.
Aiza izao ireo tositosy?
Nofy avokoa fa tsy nisy tavela.
RRAG
Alarobia 16 Aogositra 2000
--------
Rohy:
426 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0362