NOMENA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOMENA…
Anio dia, hatopiko ny masoko,
hiverina hijery, ny fiainana fahiny,
nisy soratrao, voatonta anaty boky.
Harosoko ny dia, hizorako ny lalako,
ny vavako avelako, avelako hiteny,
ny lasako, sy anao, narafitry ny toky!

Anio dia, hatolotro ‘ty peratra,
mari-pahatsiarovana, irony lasantsika,
feno fifaliana, toa lafatra ohatr’izany.
Iny ny fitia, porofo fa tanteraka,
ireo dinam-pandalovana, nifanaovantsika,
tanaty faniriana, nandravaka ny akany.

Anio dia, indro fa omeko,
hotahirizinao, anaty vatakely.
Rojo volamena, famatotra fitiavana,
marika fitia, fitia izay nomeko,
natolotro ho anao, ho anjara toa tantely.
Isam-pandresena, amboaran-drà mampihavana!

Nomena ahy ianao, tsy holaviko ihany koa,
fa tanako ho amboarako, handefy ny hambom-po.
Nomena ahy ianao, tsy ho hariako intsony,
fa isan’ny anjarako, ody nampitony.
Namafa ny alaheloko, vokatry ny lasa,
nomena ahy ianao, ilay mpamafa ràtra!
RRAG
24 Febroary 2013
--------
Rohy:
297 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167