NOVONOIN’NY ZANANY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOVONOIN’NY ZANANY…!
Ny Ray no nandao, dia ianao no nisedra,
niaritra daroka, sy vono matetika.
Ny Ray no nandao, dia ianao no nazera,
narahan-kapoka, sy lako imbetika!

Fa dia nahoana, no ianao no mizaka,
sedra tsy efa, tsy zakan’ny aina?
Nahoana koa, no miaritra daka,
vely kanoto, sy fandràtrana saina?

No tambim-pitiavana, hatolony anao!
Izay ve no fony, omena anao,
ho tolotra amin’izao fety izao?

Ny Ray no nandositra, dia ianao no novonoiny,
tsy hananany antra, hanalany ny fony.
Ny Ray no fositra, dia ianao no nolakoany,
ianao ‘lay mahantra, tsy manan-kianteherana akory!

Fa inona no antony, no dia ianao no milanja,
vesatra mafy, tsy zakan’ny velona?
Inona marina, no mahajamba,
ka manakona ny mason’izato olombelona?

Dia inona ary, no tsy afaka hataony,
ka handinihany, ny zava-nataony,
sy hanovany ny fomba fanaony?
RRAG
Jona 2013
--------
Rohy:
257 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1375