NY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY…
Ny orokao toa tantely, ahosotra amin’ny molotro.
Ny tsikinao, tsikin’anjely, miondana an-tratrako.
Ny fonao, mientanentan’eny, manaitaitra ny foko.
Ny hitia anao, no ambetin-tsianjery, takiako mba ho zoko!

Ny antsonao, reko fa manako, manaitra ny atim-panahiko.
Ny siokanao, feo ‘ray kanto, manala ny fahanginako.
Ny jerinao, ilay miranto, satriko hifikirako.
Ny mombanao, efa aty amiko, tiako sady mamiko!

Ny lasanao, no indro lasako, misy tianao hohadinoina.
Ny hoavinao, toy ny hoaviko, mba tianao hofenoina.
Ny fitiavanao, sahala amiko, tianao hafafy an-jaridaiko.
Ny aminao tsy nobangana, tsy nofenoina, efa ela no nolalaiko!
RRAG
Alatsinainy 07 Oktôbra 2013
--------
Rohy:
259 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165