NY ALIKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ALIKO…
Indrisy mantsy ry maraina,
fa mbola ràtra noho ianao,
no indro entiko miaina,
mamaky irery ny raorao.

Ka ny aliko indray,
no toa voatinery hitolomana,
hifanotofa-mba tsy ho may,
mba hiandrandraiko fivelomana.

Ny aliko aza toa hafahafa,
ririnin-dava eny foana.
Zary tsiahin’irony lasa,
‘lay nanototra fotoana.

Ny aliko tohofan’ny hirifiry,
toa zary sento efa ho lava.
Fitroatroatran’ireo tahiry,
sy ‘reo fitia efa rava.

Ny aliko toa miendri-pasana,
feno haizina sy hatsiaka.
Fiventiventin’ireo lasana,
izay nitolomantsika.

Ry maraina noho ianao,
no nosedrain’ity aliko, hatsiaka sy hirifiry mafy.
Dia mbola noho ianao,
no nahatonga ny hazavana, hitsilopilopy ho fatifaty.
RRAG
Janoary 2012
--------
Rohy:
364 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204