NY ALIM-PAHANGINANA… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ALIM-PAHANGINANA… (SAFIDY: 2012)
Raha ny alim-pahanginana, no lazaina fahoriana,
dia ny akanim-po sahirana, no hilanja fijaliana.
K’izay maraina hiposaka, dia ho rakotra haizina,
fa fonja iray voatokana, voalahatra ho famaizana.

Raha ny zaza mitomany, no teren’ny tendry hangina,
dia hangina toy izany, irony kintam-paniriana.
Nefa fery no ao ambadik’ilay nanolatra efa ela,
ka ny vina no nadaboka, satria ny fo efa nianjera.

Raha ny alim-pahanginana, no fototry ny ràtram-po,
dia ny setran’olon-tiana, no nandoto izay tan-doha.
Ka raha ny alim-pahanginana, no terena hizaka heloka,
dia tsy hisy andro hangirana, ary ho maizina ny efitra.

Ny vehivavy mitaraina, tsy fanome ny tsiny akory,
f’ireo nanafak’aina, nahatonga antsika tsy ho ory.
Nefa ny alim-pahanginany, toa alim-pahorian-dava!
Ny lambahoany fisikinany, dia zary lasa famafa tava.

Raha ny alim-pahanginana, no isan’ny ali-mampisaona,
dia ny maraina vao mangirana, no tena maizina amin’ny taona.
Satria ny ràtra tsy mba maina, fa toa namery lava teny!
Misy aza afak’aina, noho ny zogan-teritery.
RRAG
27 Nôvambra 2012
--------
Rohy:
240 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212