NY ALIN’NY NOFY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ALIN’NY NOFY…!
Ny alin’ny nofy, no tiako ho akaniko.
Fa ao ry tiako, no hahitako anao.
Io tontolo io, no isan’ny mamiko.
Ilavitra ady, sy tsisy mitalaho!

I Neny koa ao, no miverina misafo.
Mitamberina mantsy, ny fahazazako.
I Dada mibaby, toa tsy ankiato.
Foana koa ao, ny fahajambako!

Ny alin’ny nofy, ilay tiako honenana.
Ao ny tontolon’ilay fandeferana.
Nanovan’ny jeriko, sy ny lalan-kombana,
an’alin’ny nofy aho, no tena tamana.

Ny alin’ny nofy, tontolo voatokana.
Na izany aza aloha, tsy ho ahy manokana.
Fa ho ahy sy ho anao, ry foko mitia.
An’alin’ny nofy isika, no miara-dia!
RRAG
28 Janoary 2014

--------
Rohy:
310 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1555