NY ANARAKO HOY IANAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANARAKO HOY IANAO…
Ny anarako hoy ianao, tefi-maikamaika,
anara-maro mpanana, ‘zay efa tsy mahataitra.
Tambatamba-teny, rafirafi-tsoratra,
saingy manan-danja, sy hevitra miankolaka!

Ny anarako hoy ianao, tinendry fa tsy anjarako,
nefa isan’ny singa, nandrafitra ny tantarako.
Karazarazana litera, narafidrafitra hiteny,
safidy nokinendrin’ny Ray sy ny Reny.

Ny anarako tsy iza? Fa ‘lay nahaolona ahy,
ilay nitaiza saina, nibea ny fanahy.
Ny anarako mamaritra, ny toetra ato anatiko,
iavahako amin’ireo, mitovy anarana amiko!
RRAG
10 Septambra 2018
--------
Rohy:
1364 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0234