NY ANARANAO VOATONTA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANARANAO VOATONTA…
Mampatsiahy ahy ‘reo mamy,
niainako fahiny,
foiny ianao tanilako.
Ny anarana entinao.
ka nampanembona ahy ‘lay oroka,
ilay natolotrao ny molotro.
Ilay anaranao voasoritra,
tan-diarin’ny fitiavako.

Dia iny no hosoratako,
rehefa an-tanako ny penina.
Dia iny no handrasako,
ho ren’ny sofiko hitamberina.
Iny anaranao iny,
no tena zary fanantenako.
Ka aza dia omena tsiny,
raha toa iny, no fototry ny hadalako.

Ny anaranao voatonta,
voarakitra ao am-poko.
Ny anaranao no sota,
fa tsy nandrava ny finoako.
Ka hotanako ho ahy,
na hitondra ràtra mafy.
Fa manantena ny fanahy,
hoe: “Ny anaranao tsy ho faty”.
RRAG
29 Aogositra 2012
--------
Rohy:
311 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1297