NY ANDRIAMANITRY NY FOKO! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANDRIAMANITRY NY FOKO!
Ny Andriamanitry ny foko, dia ianao ilay fitiavako.
Tokiko sy finoako, sady ihany koa firavako.
Tsy mba nandao, fa nijery ahy foana.
Tsy nety lao, tsy namela ahy hisaona!

Tsy nanoritra ny lahatra, fa namela fo hisafidy.
Tsy nanosika ahy tan-tatatra, raha nisy hadino ny adidy.
Fa vao mainka indray aza, nonohana ahy hamita ireny.
Ka ny hanokafanao ny vava, dia angolangolan-teny!

Tsy nanakana ny tendry, saingy namela ahy halalaka.
Hitia izay safidim-poko, hataoko akanin’ny fitiavana.
Tsy nilaza ahy ho hendry, nefa koa tsy nahasaraka.
Izy irery no Andriamanitro, tsy nanakana ny lalana!
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
304 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0843