NY ASA-SORATRO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ASA-SORATRO…
Ny aiko mora lo, mora levona sy ringana,
miovaova lasy, miovaova dingana.
Fa ny saiko kosa, sy ny soratry ny tanako,
dia hiahy hiavosa, hanoritra ny lalako.
Hamarana ny fetra, voasoritry ny lahatra,
iny asako iny anefa, tsy hangina tsy hitsahatra.

Ny asa-soratro, tahiry sy tsiahy,
iny asako iny, no handrava ny ahiahy,
manarona ny lalan’ny hafa toa anao,
fa raha ny aiko kosa, dia mety ho foana izao dien’izao.
Tsy misy hatak’andro, tsy misy andrasoandraso,
dia anatin’iny soratro iny, no ‘ndeha, mamafa ranomaso!
RRAG
09 Janoary 2004
--------
Rohy:
345 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213