NY ENY SY NY TSIA...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ENY SY NY TSIA...!
Raha milaza tia,
hanaiky sa handà?
Sa kosa hamila kely,
vao 'njay hanapa-kevitra?

Fo hiara-dia,
sahy ve sa tsy sahy?
Fotsiny hifampijery,
ery ilavidavitra!

Raha misy fankahalana,
tsy resin'ny andro lasa.
Miezaka mikiky,
ny aty sy ny afero...

Hamboly fandrarana
hampitony ràtra,
sa mbola hitampify,
an'embon'alahelo?

Ny eny sy ny tsia,
tsy akory fanekena,
na avy dia fandavana,
ny sori-boatendry!

Fa ny eny sy ny tsia,
dia fandinihan-tena,
sady fakàna bahana,
ho an'ny olon-kendry!

Ny eny toky omena,
hanefana voady
sy dina nifanaovana!

Ny tsia fandàvan-tena,
mba tsy hisian'ny ady,
ho ampinga sy fitaovana,
handravana joro.

Fa koa, fahaizana mikolo.
Ny fihavanan-tsy ho tapaka!
Saingy, na ny eny na ny tsia,
dia samy ankamantatra
manoritra, sy hanoritra ny dia!
RRAG
31 Oktôbra 2021
--------
Rohy:
548 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214