NY FAHASOAVANAO... (RRAG)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FAHASOAVANAO...
Tsy haiko zoky tia,
ny fomba handrafetana
ny teny tiana haloaka...

Tsy hoe kosa sanatria,
nananam-piaretana
daholo izay nivoaka!

Fa teo ny naka faka,
teo ny tsy namony...
Nisy naka laka,
dia nisy tsy nitony!

Fa ianao Jesoa,
Tompo sy mpanjaka
no tiako hamafa ireny...

Satria raha ny ao am-po
dia efa tsy mahazaka
ka tsy mivolan-tsy miteny!

Ny fahotako Tompo,
raha sitrakao fafao...
Fa vonona aho hanompo
'ty fahasoavanao!
RRAG
12 Aprily 2021
--------
Lien:
236 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0252