You are here: home > Vetso

NY FIANARANA… - RRAG

Azo vakiana?

NY FIANARANA…
Mety handroso ny tontolo, mety hiroso i Gasikara,
mety hiova sy hisolo, ireo mpanoratra tantara.
Mety ho rava izay natsangana, azo harenina ny simba,
fa manan-danja ny fianarana, ‘lay zary toa voazimbazimba.

Ny fianarana no lova, itovizana amin’ny hafa,
ny fahalalana no hany rova, hahatanteraka ny kasa.
Satria izao tontolo izao, mety hivadika ho lavenona,
fa ny fahaizana anatinao, dia anao raha mbola velona.
RRAG
29 Nôvambra 2004

Hametraka hevitra

Midira aloha