NY FITIA VE? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIA VE?
Fa ny fitia ve, ‘lay tsy mahay mitombina,
ka ‘mbetika ery, dia avy eo miantsampy atsy?
Efa hila ho folo, ireo nahazo sombiny,
nisy niahy velona, dia tao ny niahy maty!

Any izao tsy iray, ny nivadi-toky,
namitaka ny tiany, dia namindra lasy.
Tsy vitsy ihany koa, no nandrovi-boky,
nifamatoran-dina, voarako-taratasy!

Any koa tsy lavina, fa misy mitomany,
nilaozan’ny malalany, niarahany aman-taona.
Hoy itsy farany, hoe: “Efa lany mamy”,
ka dia nisarahany, navelany hisaona!

Fa ny fitia ve ‘zany, rivotra mifofo,
tsy hita hotohanana, ka dia manjakazaka?
Sa kosa, vary ratsy toto,
rakofana ankofa, tsy zakan-tsahafa?
RRAG
24 Oktôbra 2019
--------
Rohy:
416 1
Mpakafy: MyhAndry
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221