NY FOKO NO PERATRA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FOKO NO PERATRA…
Ny foko no peratra,
famatotra fitia,
hatolotro ho anao.

Sedraiko ny tselatra,
manakana ny dia,
tsy hamonjeko anao.

Satria tiako ianao,
tiako hatramin’izao!

Ny foko no peratra,
mifamatotra amin’ny fo,
ao anatinao.

Fitia niahy naka elatra,
fitiavan’olon-droa,
ka niantsampy taminao.

Satria tiako ianao,
tiako hatramin’izao!
RRAG
Alarobia 25 Septambra 2013
--------
Rohy:
298 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0214