NY FON’IALAHY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FON’IALAHY…
Toy irony raozy, tinazako maniry,
eo an-jaridaiko, ny fon’ialahy.
Hafahafa paozy, hafa fitsiry,
tsy sahala irony faniriako, ny fitiavako an’ialahy.

Ny fon’ialahy ry tiako, toa miendri-bolamena,
mamiratra ohatr’izany, tarafina hazavana.
Ny fon’ialahy no, amboaram-pandresena,
mamafa ny tomany, nentin’ny hadalana.
RRAG
Alakamisy 26 Septambra 2013
--------
Rohy:
224 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242