NY FOTO-NIPOIRAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FOTO-NIPOIRAKO…
I Neny sy i Dada, no foto-nipoirako,
naha toy izao, ny fiainako anio.
Izy ireo no nanoro, ny lalana hitovirako,
nampianatra ahy, hisedra izay tadio.

I Dada no nibaby, i Neny no nitrotro.
Tao ny tambitamby, narahan-drotsirotsy.
I Neny no namahana, i Dada nampisotro.
Tsy rariny ve, ‘zaho indray no hanala volofotsy?

Ny foto-nipoirako, tsy vato aman-kazo,
fa fitiavan’olon-droa, safidy tsisy tery.
Ny faka niaviako, tsy fakam-batan-kazo,
ka antitra izy ireny, dia tsy ho asiako jery.

Miavaka amin’ny loko, fahitako isan’andro.
Ny anilan-dRay sy Reny, tia sy mahay mitia.
Nahay nizara tsara, izay anjara masoandro.
Ny handika azy ireny, dia ho sanatria!

Fa ny foto-nipoirako, dia ireo andry niankinako.
Ny foto-nipoirako, no nihazona ahy, teny am-pisidinako.
Ny foto-nipoirako, no hany, tsy nandao ahy.
Ny foto-nipoirako, no fototra, nanabe ny fanahy!
RRAG
Jolay 2013
--------
Rohy:
257 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226