NY FOZA VE? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FOZA VE?
Zary anaram-petak’ireo mpivarotena, zazavavin’ny alina.
Zary lasa vesatra, entim-pirenena, anaty lava-dalina.
Karazaram-biby, tia miaro tena, sady malaky malona!
Saingy lafovidy, tsy zaka-mpitondratena, mikatsaka ‘zay hohanina.

Zary esoeso, entin’ny mpanohitra, hisoketaina ny mpitondra.
Teny mihetraketraka, entina hanesoana, ‘reo tovovavy momba.
Ka hilazàna azy, tsy nahay nitondra-tena, foiny ny fahiny.
Zary latsalatsa, hanamelohan-tena, sy hanjerana tsiny!

Ny foza ve? Toa biby mahasoa, saingy naratsiana.
Biby mora fo, saingy toa tsy tiana,
satria lotoin’ny maro, ny hasina hananany!
Ninia-nafangaro, nazera ho fahotany, ny ota tsy tan-tanany.
RRAG
18 Febroary 2013
--------
Rohy:
256 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017