NY HELOKY NY RAINY VE…? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HELOKY NY RAINY VE…?
Indrisy ianao ry tany, toa misiasia,
mandrovitra ny zaitra, mihazona ny feriny!
Mandona ny aty fo, dia indray miriaria,
mamotika ny sainy, amin’ny raha tsy teliny!

Ny heloky ny rainy, no namonjanao azy,
ka namoahan-didy, ho helony ihany koa!
Ianao ry tany, tsy niezaka nitady,
ny rariny sy hintsiny, nihiboka tam-po!

Fa avy dia nitsara, injao namoaka didy,
hoe gadra mandramaty, no sahaza azy!
Nefa anie raha izy e! Tsy afa-nisafidy,
‘zay Ray sy Reny akory, afaka hiteraka azy!

Ny topimasonao, nibanjina ny tavany,
ve moa dia nahafantarana, ny heloka natao?
Izy anefa izao, tsy nahasokatra ny vavany,
hiarovan-tena akory, dia avy, nohelohinao!

Ny heloky ny rainy ve, moa heloky ny zanany,
no dia sahinao, ny hanositosika azy?
Tsy nisy tamin’ireny, efan’iny tanany,
kinanjo izy indray, no hoe omena sazy!
RRAG
24 Jolay 2019
--------
Rohy:
500 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201