NY HOE FANAKA MALEMY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HOE FANAKA MALEMY...
Ny hoe fanaka malemy, tsy entin-kanambany
fa fomba iray noheverina, lanja sy haja omena!
Porofon'ny hasin'ny aina, tsy roa eto aman-tany,
kanefa dia viraina, amin-datsa sesehena...
-
Ny fanaka malemy, tsy akory hamaivanana
nenti-nanavahana, nampitaha ny hery....
Fa mainka aza tanjaka, azo nandravahana
ny maha avo indrindra, ny lanjan'izy ireny!

Ny fanaka malemy 'lay mila fitandrovana
miavaka, misingana, mitady tambitamby!
Aina mitovy ihany, fa mila fiarovana,
satria io no harena, tokana aman-tany...
Ny fanaka malemy akory tsy sokajy
ka hoe tsy mitovy ny lahy sy ny vavy!

Fa ny hoe, fanaka malemy dia fametra-boninahitra
lanja tsy hay faritana, hitoeran'ny vehivavy!
Tsy akory fanosena, ny zo iadiana fatratra,
ka potika sy ravan'ny tolona sy ady...

Fa ny fanaka malemy dia, midika fahamboniana
lanja tsy azo lavina, hoe harena sarobidy...
Fa ny fiheveran'azy, ho hasim-panambaniana,
dia angamba ny toe-tsaina, no tompon'ny safidy...
Nanao tsinontsinona, 'zay fonon'ny aina tokana!
Na koa, fijery ambany mihitsy, hambolen-korontana...
RRAG
30 Aprily 2021
--------
Rohy:
280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217