NY LALAM-PIAINAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LALAM-PIAINAKO…
Mbola teny an-kibonao ry Neny, tsy nahalala sedran-tany,
dia efa vesatrao irery, eny ho hatreny ambany tany.
Sivy volana aho tan-kibo, tsy navelanao ho noana,
andrinao ry Neny tiako, na dia lava ity fotoana.

Menavava aho vao teny, teny an-tananao ry Dada,
notrotroinao ‘ty zazakely, tsy mba nahalala niarahaba.
Ianao no nampitafy, ahy irony lamba fotsy,
ianao ry Dada tiako, no reko mba nandrotsirotsy.

Tsy hadinoko ry Neny, fa ianao no nampinono,
ianao ry Zokikely, no nikapoka ‘zay namono,
i Zokibe nisangisangy, nampangina ahy tsy hitomany,
tao koa ‘reo tambitamby, nitondra fifaliana hatrany.

Vao nandeha aho dia i Dada, no nihazona ny tanako,
ianao ry Neny tokako, no nanohana ahy tsy ho lavo,
i Zokikely no nitarika, nanoro ahy izay ho lalako,
i Zokibe faniloko iny, no nampiarina ahy raha lavo.

I Neny indray no nanatitra, ahy hamonjy lakilasy,
i Dada no nampianatra ahy, mba hahay ny taratasy,
ireo zokiko nitsena, ahy nirava, tany am-pianarana,
toa efa fantany ny lera, firavàn’iray fianarana.

I Dada no nananatra, ahy mba hahay hijery lavitra,
i Neny no nampianatra, ahy hisaotra an’Andriamanitra,
tamin’ny fiainana nomeny, nandritr’ireny lalam-piainako,
misaotra re ry Dada sy Neny, fa misy izay mba hisaintsainako.
RRAG
13 Nôvambra 2004
--------
Rohy:
304 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206