NY LALANA MANKANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LALANA MANKANY…
Tinazany itsy kintana,
mitaratra tsy miato ny efitranonao.
Dia nitsapa vintana
‘ty fony te hiantsampy ho eny an-tratranao.

Fa tiany hono ianao,
tokan’ny safidiny.
Toa indro, nefa hatramin’izao,
ny fony ilay mitia, tsy nasianao vidiny.

Navelanao ho resin’ny tebiteby lalina,
dia mandefa vina.
Ka indro tsy tafandry andro aman’alina,
mitsiaro anao ‘lay tiana!

Ny lalana mankany hitany fa tsy hainy,
‘zay mety ho fihetsikao.
Ka ny hany nihonkodina nibahana tan-tsainy,
dia ny aoka izao!

Fa aleony ilavitra mijanona ho namanao,
dia mitia mangina,
sy afaka mahita, mijery foana anao,
‘lay nofisiny ho olon-tiana.

Toy izay voaràtra ny tenim-pandàvanao,
ny hoe aleo mpinamana.
Fa tsy ho tantiny mihitsy ny higoka ny talaho,
ka handrava fihavanana!
RRAG
27 Mey 2020
“Moramanga”
--------
Rohy:
228 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206