NY LISY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LISY…
Ny lisy no vony, fivoliko am-poko.
Izy ilay mpampitony, ny atin’ny foko.
Ianao io vony io,’lay fiaro tadio.
Tsisy hafa tsy ianao, no nitia ahy nadio!

Ianao lisy no harena, rava-jaridaiko,
Fanilon’ny tena, vony nolalaiko.
Tokana am-poko, tsy manam-paharoa,
tsy afa-kosoloiko, fa mitsiry am-po!

Ny lisy no tazako, jineriko maraina.
Izy no mba havako, nihaino ny taraina.
Ny lisy hafa ihany, rehefa tena tia.
Ny azy ny tomany, tsy fihatsarambelatsihy!

Ny lisy dia ianao, ‘lay fo iray notazako.
Tsy mba fo vaovao, ‘ty lisy niantsampazako,
fa efa nifankazatra, nifampizara tamiko.
Ilay nitsabo ràtra, ka niondana tan-tratrako!
RRAG
Sabotsy 27 Jolay 2013
--------
Rohy:
371 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208