You are here: home > Vetso

NY OMALY...! - RRAG

Azo vakiana?

NY OMALY...!
Raha samy vinaniana, ny omaly sy ny anio, ary koa ny ampitso,
dia aleoko ihany, misafidy lasa, izay efa hita sedra.
Fa raha ny ampitso, ny feriko omaly, mety ho hasiso,
ny tia mety handao, ny lasa hitamberina, ka tsy ho kisendrasendra,
ny fisarahantsika, fa vokatry ny omaly, 'lay satriko ho fafana.
Saingy ferin'ny aina, minia mitoetra, sady toa tamana!

Ny omaly, mety nisy ratsy, saingy tao ny tsara,
tao ny fahazazana, tao ny fahatanorana, tao ny alahelo,
ny fahasambaram-po, nitoetra tsara, zary toa tantara.
Diary tsy mba maty, tsy tontan'ny ela, ka hany mihelohelo,
maneho ny hatsarana, manoritra ny fototra, hitàna ny hoavy.
Hafa ilay omaly, tsy vitsy mpanadino, saingy be mpitady!
RRAG
30 Aprily 2012

Hametraka hevitra

Midira aloha