NY OROKAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY OROKAO…
Vao maraina,
maneno akoho, isika mihaona,
mifampitaona an-jaridaina,
dia toy izany foana.

Isan’andro isan’andro,
dia misaraka isika,
vao miposaka masoandro,
sao misy olona mahita.

Dia mihaona indray izaho sy ianao,
raha vao dify ny masoandro.
Eo no ahenoiko, ny hatsaran’ny orokao,
miahy matsiro isan’andro.

Oro-piarahabana, mari-pifaliana.
Oroka mahalala, ‘lay olon-tena tiana.
Namela dia-molotra, teo amin’ny tavako.
Nanoritra ‘lay holatra, teo amin’ny vavako.

Ny orokao, oroky ny tiana.
Ny orokao, nitondra faniriana.
Nitondra ilay fitserana, irony fo mangina,
resim-panenenana, mizaka fijaliana.
Nalavon’ny fitiavana, noho ny fanahiana,
mizaka ny hamazan’ny fangirifiriana.
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
285 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1062