NY RANOMASON-DRENY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RANOMASON-DRENY…
Ny ranomason-dReny dia volamena latsaka!
Ny ranomason-dReny tsy orambe milatsaka,
fa fitroatram-po mifono fanantenana.
Ny ranomason-dReny tsy mba hadalana,
fa alahelo anaty, na koa fifaliana,
matetika anefa dia, sarim-pijaliana.

Ny ranomason-dReny tsy ho an’ny Ray maditra,
fa ho an’ny sombin’ny ainy iriny ho tafita.
Ny ranomason-dReny, tsy latsalatsa-poana,
tsy hoe sendra alahelo fa misy ‘ndraindray fotoana.
Toy ny fahatsiarovana ny lasam-pahoriana,
na koa fisedràna, ny ferin-jana-tiana.

Ny ranomason-dReny dia famatotr’ain’ny velona.
Famatotra fitia, fifaliana mihitsy, fa tsy mba nenina.
Ka ny ranomason-dReny no tena hasin’ny aina,
ianao zanaka amam-para, mba ianao misaina.
RRAG
02 Jona 2014
--------
Rohy:
266 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227