NY RINDRIN’EFA-PAHAZAZAKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RINDRIN’EFA-PAHAZAZAKO…
Mbola zaza aho ry Neny, dia norakofanao ‘reo tamby,
ry Dada toa tsaroako ireny, hikahikan-tsangisangy,
toa zaridaina hafakely, tsy mitovy amin’ny hitako,
hafa ihany ny fahakely, na nisy bedy noho ny ditrako.

Ilay teninao ry zoky, tenin-joky be fitiavana,
‘zay nampitraka ahy raha trotraka, ka nianjera nitomany,
ireny teny feno toky, tsy mba nisy fanavahana,
no toa soa narotsakao, nantenaina hitondra mamy.

Vinavinan’ity foko, ny mba hanan-jandry, toa anao,
saingy indrisy toa tsy hinoako, fa lavo izy amin’izao,
tsy haiko mampiarina, fa nototofam-bovo-tany,
ny foko rehefa manina, dia mandrotsaka tomany.

Ianareo no rindrin’efatra, rindrin’efa-pahazazako,
ianareo no tsy mba ketraka, na nazeran’ny hadalako,
na dia telo aza sisa, ny rindrin’efitry ny aina,
dia hinoako fa ho vita, ho resintsika ny taraina.

Hodikaintsika ito alina, minia mamerina ny lasa,
dinganintsika ny tsy marina, ka nandrava irony kasa,
ny rindrin’efa-pahazazako, hiarina eny foanafoana,
tsy voazeran’ny hadalako, tsy ho lon’ny fotoana.
RRAG
11 Janoary 2004
--------
Rohy:
324 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174