NY SAFON’I NENY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SAFON’I NENY…!
‘Njany, miritsoka mora, mipaika ao anaty, ny safon’i Neny.
Tahirin’ny ora, ‘zay mbola tsy maty, raha ‘reny safo ireny.
Tsy hay hadinoina, tsy hay vonoina, fa isan-tahiry.
Tsy mety malazo, tsy mety maina, fa vao mainka mitsiry.
Mitsiry ao am-po, manainga fanahy, hivetso ‘ty kalo.
Tokana ihany, ny safon’i Neny, ka tsy hay atakalo.

‘Njay, misosa mora, mandritsoka aina, ny safon’i Neny.
Sady toy ny hery, mamafa taraina, mampody ny very.
Manainga ny fo, hikalo mangina, ireo asa-sorany.
Ireo safony, dia rivo-mitsoaka, ny hasosorany.

Ay! ‘Njany…! ‘Njay…! Fa mikitika kely ny atin’ny foko, ‘ty safon’i Neny.
Kay, zava-mandalo, tsy afa-tahiriziko ela, raha izy ireny.
Satria tokoa, ny aina eto an-tany, toa tsy mba mifametra.
Na ho eo ianao na tsy ho oe, dia ny safonao, reko anaty, tsy ho voafetra!
RRAG
19 Desambra 2014
--------
Rohy:
332 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0458