NY SARINAO NO SISA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SARINAO NO SISA…
Teboka namarana ny vina nokinendry,
ny setrasetram-piainana nentin-daha-tendry!
Baraingo tsisy valiny ny tomboky ny lasa,
voatery nofafan’ny dinga-nokinasa.

Indrisy haizin-kitroka tsy nisy mba fanilo,
no nanakon-kazavana tam-pototry ny jiro!
Fasan-drary vato no solon’ny akany,
‘zay fetram-pisarahana vofaritra eto an-tany!

‘Zay ranomaso latsaka ve moa dia hahatamberina,
ny nofy efa lasana tsy afaka niverina?
Levona sy levina ny aina manontolo ka indro sary sisa,
no zary firesahana hizarana visasisa!

Ny sarinao no sisa naman-tsy nandaon’
ny foko torotoro drodroky ny talaho!
Io no hany sisa mihaino ‘zay fitarainako,
mahatsapa tsy mamaly ny ivom-panaintainako!

Antsa a! Dia nofy avokoa ny lala-nolalovana,
fa ianao nianjera, reraka, torovana!
Nosedrain’ny fiainana, nosetrain’ny ankaso,
ny fon’i Neny izao no vonton-dranomaso!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
283 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201