NY SEDRAM-PITIAN’NY FO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SEDRAM-PITIAN’NY FO…
Indrisy ry fo, mizaka tsy satry,
mitelona irery, ny aleoko maty,
mizoga ny tsy efa, tsy zakan’ny saina,
saingy tsy afaka, ny mba hitaraina!

Nitia tokoa fa, sendra tsy tiana,
naniry kanefa, toa tsy mba nirina,
haninona moa, rehefa izay no safidy?
Ny fitiavana koa ‘ngaha, tsy efa lafovidy!

Ka saro-takarina, tsy halalana ny marina,
feno misitery, sy sangodim-panina,
tsy maintsy mandràtra, ny atin’ny fo,
ny maso no nitsapa dia, ny hafa no voa!

Indrisy ry maso, mpitopy, mpandràtra,
mbola tsy ampy ve, ny vitanao lasa?
No dia tsy maintsy, mitsiriritra ihany,
rahoviana anefa no ho lany, ireny eto an-tany?

Marary tokoa lahy, ny atin’ny fo,
moa ve ‘ty fitia, mba mitondra soa?
Fa ‘mbetika lefona, no iniany atoraka,
toa tsy mba manam-po, afaka ny hangoraka.

Toa aleo tsy ary, raha hijaly eny foana,
rahoviana ny setra, no mety ho foana?
Rahoviana ny maso, no tsy hinia hijery,
ka hitondran’ny fo, horaketim-pery?

Indrisy ry fo, ‘lay tsy manam-pahadisoana,
nahoana no tsy maintsy, ho ianao foana,
no hizaka ny vokatry ny safidin’ny hafa?
Sa kosa tsy maintsy, satria ‘zay no nahazatra?

Indrisy ry maso, mpitazatazam-poana,
naninona moa ianao raha mba, nasiana fotoana?
Hoe jamba indraindray, ka tsy hahita ireny,
fakam-panahy, tsy voafehinao ireny.

Indrisy tokoa, fa nahoana ny fo?
Nahoana izy irery, no mbola tsy to?
Tsy voary, hiadana izany,
asa ve, voatokana hitomany?
RRAG
29 Aogositra 2018
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Ahiahy
746 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208