NY SEZANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SEZANY…
Eo am-pen’i Neny, eo an-tratran’i Dada!
Eo no seza, sezan’ilay zaza!
Jiro nanazava, ny haizin’ny alina,
kanefa sary sisa, no mahamanimanina!

Seza hafakely, miendri-bolamena!
Fanilon’ny mpijery, tsy dia ilàna harena.
Seza tsy miloko, tsy mifidy tava!
Kintan’ny alina, vola-mpanazava!

Seza maro mpanana, fa vitsy mpampiasa!
Sezan’ny fahazaza, fonenan’irony lasa.
Ahazoan-tambitamby, ahafahana miangoty!
Mbola eo ihany, fa tsy hoe fotsy.

Ny sezany! Eo an-tanan’i Zoky.
Ahazoany fitia, ahazoany toky.
Sezan’ny fiadanana, seza fiandrianana!
Sezan’ny farofy, fitoeran’ny tsy manana!

Hafa rafitra, hafa fandrafetana,
‘lay sezan’i Antsanay, hafa fiorenana!
Satria miorina am-pitia, ‘zay feno faharetana,
fa tsy toy ‘reo seza, mandalo dia miserana!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
372 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199