You are here: home > Vetso

NY TANAKO… - RRAG

Azo vakiana?

NY TANAKO…
Ny tanako namafa, ny ranomasonao,
no ‘njay notananao, sy nofihininao.
Tsy navelanao hiala, hisafo ny tava!
Tsy navelanao hiteny, na hiloa-bava!

Io no tsiaro, tsaroako mitoetra,
hany tsy misetra, ny fitiavako voafetra.
Voafetran-daha-piainana, sy ny anjara entiny!
Efa toa voasoratra, tamin’ny diam-peniny!

Efa noraketiny, ho amboara tsy ho faty,
hamafa ny adin-tsaina, hamingana ny ratsy.
Efa toa navela, ho rakitry ny lasa,
hanovàna ny famindra, sy ‘reo ‘zay vita kasa.

Ny tanako namafa, ny ranomasonao,
no indro indray tsiaro tsy lefin-tsento sy talaho.
Tsy lefin’ny ankaso, sy ‘reo mpisetrasetra!
Tsy levon’ny afo, na ringan’itsy fetra!

Fa ‘lay tanako namafa, ny ranomasonao,
no solon’ny mosoara, fanaonao am-paosy.
Ka tsy lefin’ny andro, tsy levon’ny taona!
Hinoako fa tsy ho ela, isika mbola hihaona!

Ny tanako tsy hoe, rimbom-bolamena,
fa rafi-tanimanga, novelomin’aina.
Nefa toa harena, misy lanjany aminao,
toy ireny akanjo, fitafy vaovao!
RRAG
Janoary 2012

Hametraka hevitra

Midira aloha