NY TAONA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TAONA…
Dimapolo taona aty aoriana,
tsy mbola aloha fa aoriana,
ity nosy Madagasikara,
noho ny pôlitikan-tseza.

Ady toerana, fifikiran-tseza,
halatra, sy kolikoly mahabaoty.
‘Reo no re mazàna,
ankoatra ny famenoam-paosy.

Noho ny vola, sy ny harena,
dia misy sahy mamadika,
miantso fahavalom-pirenena,
mba hamono sy hidaroka.

Dimapolo taona aty aoriana,
mbola hafaran’ny farany.
Vokatry ny fitiavan-tena,
ataon’ireo mpitondra sasany.

Vola, kolikoly, halatra, pôlitika,
fototra mandrava, ny nosy mamintsika.
Nentina nanitsaka, ilay fihavanana,
sy nentina namotika, ‘lay teny hoe namana.
RRAG
Ny taona 2009 - 2010
--------
Rohy:
265 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208