NY TSIKINAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TSIKINAO…
‘Lay tsiky toa jery, mamatotra ny masoko.
‘Lay tsiky tsianjery, tsy miala ao anatiko.
Ny tsikinao, tsiky iray malefaka, nahababo ahy.
Ny tsikinao, tsiky tsy mavesatra, fa zogan’ny fanahy!

Ny tavanao mazava, toy ny taratra masoandro,
arahin’ilay tsikin-jaza, eny an-tava isan’andro.
Ny tsikinao, moa fahadisoako, raha nojinereko matetika.
Tiako, nahababo ahy, ny tsikinao, narahinao ilay fihetsika,
ka nanaitra ny atiko, sy nahataitra ny foko.
Ny tsikinao, ny tsikinao toa tsy foiko!
RRAG
26 Febroary 2013
--------
Rohy:
454 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174