NY TSIKY ATORATORANY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TSIKY ATORATORANY…
Aza heverinao ho eny, ka mamaly ny fitia,
izay natosatosakao, fa hoe haniry ny hiara-dia,
ny tsikitsiky atorany iny, namaly ilay anao,
izay tsiky nasetry, fitiavan-kilalao!

Aza heverinao mihitsy, fa raha miresaka aminao,
dia taratara sy efa potika ary koa babonao,
itsy fahatsoram-pony, tsy te hiavona tsy akory,
nefa ianao indray ity, no mitondra sorisory!

Ny tsiky atoratorany iny, tsy mivaly akory ho “eny”.
Aza heverinao izany, raha toa izy tsy miteny.
Fakao aloha ny an-tsaina, diniho ‘zay mety am-pony,
mba tsy hitsirian’ny ràtram-po, ka hitera-donilony!
RRAG
15 Mey 2020
--------
Rohy:
397 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168