NY TSY EFANAY RY TOMPO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TSY EFANAY RY TOMPO…
Solafaky ny ady sy sedra izay mangidy,
dia ‘njay indray mahatsiaro ny anaranao ‘lay tokana.
Kanefa rehefa sambatsambatra, dia tsy nahay nifidy,
fa teny an-dava-kaizina, no injao niantoraka!

Lavo indray ry Tompo, vao toa mba nahatadidy,
ny anaranao ‘lay masina, tsy pentim-pahotana.
Hoe any izao ‘lay Ray, ‘zay tena sarobidy,
afaka mamaha, ‘zay sarotra vahàna!

Ankehitriny Tompo ô! Tena tonga saina,
hoe ianao irery, no foto-pahavelomako.
Hisaotra anao no ataoko, fa tsy hitaraina,
fa sedra toy ny sedra, ihany izato olako!

Ianao no avo indrindra, mahay ny tsy efan’ny hafa,
tanana mihazona, ny tenako tsy hianjera.
Ianao ry Tompo tiako, no hany tsy mba nihafahafa,
ka atolotro ho anao, ny voninahitra sy dera!

Ny tsy efanay ry Tompo, dia vitan-tananao!
Ka mendrika ho deraina, ny anara-masinao!
Ny helokay aza, mahagaga, toa voafafanao!
Indreto ny fonay, ento! Hanaraka anao!
RRAG
02 Jona 2020
--------
Rohy:
345 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021