NY VALALA MISY… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VALALA MISY…
Tsakoy am-pitoniana ny re sy tsapanao,
fa aza misendraotra amin’ny zavatra tsy hita!
Fakafakao tsara koa ‘zay hitanao,
sao lahy mantsy hanenina amin’ny fihetsika ho vita!

Jereo ny vokatra entiny, farito eo ny tanjona,
aza maika akory, ny hanapa-pifandraisana!
Na maika hanameloka, ka avy hianjonanjona,
ka hanadino sahady, ny mamy izay niraisana!

Ny valala misy, ny mpilaza be,
ka ‘ndrao manisy sira, ny zavatra ‘zay hitany!
Hadihadio aloha hoe, izay tokoa ve?
Indrao manita-kevitra, ka hiteny izay tsy hitany!

Ny valala misy, ny mpilaza mahay,
sao handalivay ny tranga tsy natrehany!
Misy mantsy mpialona, tsy mba mety fay,
satria natao mpampiady, no hany anjara toerany!
RRAG
28 Jolay 2021
--------
Rohy:
341 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199