NY VONINKAZO SY IANAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VONINKAZO SY IANAO…
Ny voninkazo sy ianao, iray kanefa samihafa!
Samy tsy tia raorao, ary tsy mba mihafahafa!
Tia rehefa tena tia, tsy mitaky izay ho tambiny!
Fitia feno fa tsy sanatria, efa sisa sy ambinambiny!

Voninkazo ianao ry tiana, voninkazo hafakely!
Halaviran-karatsiana, kanto amin'ny fijery!
Voninkazo tokam-po, tena tia tsy noterena.
Ny fitiavanao 'zay soa, no amboaram-pandresena.

Voninkazo ianao kanefa, tsy malazon’alahelo!
Ny siokanao ‘zay niantefa, no zary aloka nielo.
Nanalokaloka ny taratra, ninia nandoro ilay fitia!
Izay angaha ‘lay kotro-baratra, nahatongantsika hiara-dia!

Ny voninkazo sy ianao, mitovitovy fa tsy sahala!
Ianao tsy resin’ny talaho, ny ady koa iaraha-mahalala!
Ianao tsy miahotra amin’ny sedra, fa sahy mijoro rehefa tia!
Ny fitiavanao tsy mila dera, nefa kanto sady fỳ!
RRAG
02 Janoary 2017
--------
Rohy:
402 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.021