NY ZARIDAINY. (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ZARIDAINY.
Vao maraina dia mivetso, misiosioka mangina,
eo ambony sezavato, afovoan-jaridaina.
Ilay raozy iray misento, fa nilaozan’olon-tiana,
noho ny setran’ny ankaso, tamin’ny omaly vao maraina.

Latsa-dranomaso irery, manembonembona ny tiany,
ka hany zary mitsianjery, ny vinavinam-paniriany.
Dia ny hitosy an-jaridaina, eny an-tratran’ny malala,
saingy hoavy ilay maraina, dia ny nofy ny azy hiala.

Manimanina ny safo, orokoroka efa vita!
Ankehitriny sendra tsatso, noho ny fitia tsy tafita.
Fa voatery novolena, tsy ilavitra ny zaridainy.
Saingy tsy afaka hotefena, fa fatoram-pitarainany.
RRAG
26 Febroary 2013
--------
Rohy:
282 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169