OIRINA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OIRINA…
Noirinao hiala, teo amin’ny ivom-pony,
ny fon’ilay fitiavana, hany notompoiny!
Noirinao hihaisotra, ny akanim-pitiavana,
‘lay hany tady tokana, famato-pihavanana!

Dia lasa ianao nandeha, nisidina niala,
sendra sedra mafy, vao niantso indray malala!
Kanefa ianao ihany, no nandrava ny efa efany!
Ary ianao koa, no nanamafy ny fiantefany,
hianjera handràtra azy, an-davaky ny haizina!
Izay tokoa ve, ilay hoe nofaizina?

Noirinao hihaisotra, handao ny efitranony,
ny fanantenana, hany mba akaniny!
Dia mbola, oirina hirodana, hanindry ny fahafahany,
ny lasa sy ny etsetrany, izay mbola tsy voafafany!
RRAG
Sabotsy 22 Martsa 2003
--------
Rohy:
224 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0204