“OLIVAH”… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
“OLIVAH”…
Misora-tsy voafafa, anivon’ny diary,
ny anara-nofinidy, tinendrin-Janahary,
nosaloranao, tanivon’ny batemy,
izay noraisinao, teny Amboarakely!

Tinefy tsy voaempon’ny eritreri-dratsy,
ny fanahinao, nandray ity fitafy,
nihosotr’ilay menaka sy namafazan-drano,
narahan’ny pretra, vavaka! Tso-drano!

“Olivah” izany! Ny anaranao voatokana!
Anarana am-batemy, hiaro anao manokana!
Hiaraka hisedra, ‘zay mafy sy mangidy!
Ary hifanampy, amin’izay ho adidy!

Rafitra napetraka, ho anatra sy ho fitaratra!
Sarisarim-piainana, tiana ho alainao tahaka!
“Olivah”! Ny olomasina voatendry hiaro anao!
Any izy izao, isan’irony namana! Tena akaikinao!
RRAG
05 Nôvambra 2011
--------
Rohy:
252 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203