OLY...! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OLY...!
Ny anaranao tsy vitsy mpanana, fa hafa raha ny toetranao,
tsotra tsy miavonavona, sariaka hatramin'ny endrikao.
Izato tavanao mitsiky, maneho fahatsorana ohatr'izany.
Ny fetram-piainana manify, no tsy andatsahanao tomany!

Somary asianao sangy kely, hanihany koa 'ndraindray.
'Lay masonao tia jery, maneho fahatokisana anay!
Dia avy koa ny tambitamby, angotingoty re izany.
Fantatrao fa samy, tsy hiaina ela eto an-tany!

Oly, io no hiantsoana anao mazàna, rehefa mba hitady anao.
Ny tsikinao dia mahatamana, mpinamana isika hatramin'izao!
Anaran-kanto manambara, fahatsoram-po indrindra.
Maneho fitiavana ao anaty, tsara rary tsara rindra!

Anarana milaza, fandeferana ao anaty.
Oly, ny anaranao, dia ao am-po mandramaty!
Tsy voafafan'ny elanelana, na voasolon-taona maro.
Anaran-tokana ny anao, dia Oly, ka tsy mety hafangaro!
RRAG
01 Aprily 2017
--------
Rohy:
235 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208