OMEO SOMBINTSOMBINY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OMEO SOMBINTSOMBINY...
Andriamanitra o!
Raha azo hatamberina, na koa mbola azo hotazana,
ny hafaliana lasan'itsy taona dify...
Dia etsy atambereno, avereno hofafazana,
hitondra hazavana omban'ny tsikitsiky...

Andriamanitra o!
Raha misy tsy hay fafana, ny lasa sy ny etsetrany,
dia hanombino kely ny fery nitoetra...
Eo raha sitrakao mba asio fetrany,
anatin'ity taona 'reo onjan-tsetrasetra...

Andriamanitra o!
Omeo sombintsombiny amin'ny mamy avy aminao,
irony resin'ny adim-piainana...
Eo re mba afaho amin'izao tontolo izao,
izay hikam-panaintainana...

Ka 'ty taona ity ho taom-pahombiazana...
Hitondra fifaliana eny am-pon'ny maro...
Ny sento sy tomany nitondra fahombiazana,
no mari-panoritana 'reo sedra nifangaro...

Ka dia misaotranao...
Misaotranao ry Tompo! Nitia anay hatrany...
Tsy takatray mihitsy, ity fitiavanao...
K'indrao! Fifaliana omban-tomany,
no fitsapana tolotrao...
RRAG
02 Janoary 2021
Tratry ny taona daholo ianareo! Ka hitondra fifaliana sy fahasalamana ary fahombiazana ho antsika ity taona 2021 ity! Somary taratara fa izao vao amin'ny toerana ahafahana miserasera!
--------
Rohy:
244 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0206