ONJA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ONJA…
Ory nefa manana, fo mahay miantra.
Ny azy ny eny an-tanana, foiny ho an’ny hafa.
Jamba fa mahiratra, mahita fo taraina.
Ady manahirana, ny azy ny maraina.

Onja fa milefitra, amin’ny fo ‘zay osa.
Tena fo mandefitra, malefaka sy tsotra.
Satry fa tsy irina, saingy tsy maintsy ho namana.
Matetika ny tiana, dia isan’ny fananana.

Onja saingy maivana, namam-po tomany.
Tsy mandràtra aina intsony, fa ferin’ny omaly.
Efa mainan-tsiky, nozairin’ny fitia.
Onja mitampify, nama-mpiara-dia.

Onja fa malefaka, toetra sy fanahy.
Onja tsy mivesatra, tahiry sy ahiahy.
Mizara alahelo, mihaino koa ny hafa.
Saingy manam-petra, toy ny mahazatra.

Mandalo toy ny hafa, miserana ihany.
Naman’ny lasa, namafa ny tomany.
Fa fototra ihany, fiavian’ny alahelo.
Saingy toy ny tany, lalovam-bonim-bero.
RRAG
10 Janoary 2013
--------
Rohy:
287 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0244