ORA FARANY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ORA FARANY…!
Hontsa ianao tazaniko, latsaka tomany,
oriory fo, mangina tsy miteny.
Nindaosiko ny akany, nilaozako ny tany,
ny sisa tao an-doha dia, ny hakanton’ny fijery.

Injay! Injay mipaika ny ora,
toa reko miahy maivana, miala moramora.
Mandositra ny vatako, ny ainy amam-panahy,
raha ny eritreritrao, moa ve ho sahy?

Injany ny hazavana, manarona ny tavako,
hatsiaka mamanala, manafy koa ny vatako.
F’izao angamba ny ora, handaozako anao,
veloma, eny veloma! Tsarovy, fa tena tiako ianao!
RRAG
26 Aogositra 2017
--------
Rohy:
495 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0313